Nodorana omaly, teny Fasanikarana ny vatana mangatsiakan’ireo koreanina roa lahy, nisy namono tamin’ny zoma alina. Naneho ny hatezerany ny mpiaray tanindrazana amin’izy ireo.
Feno fahatezerana ny teratany koreanina amin ’izao fotoana izao, manoloana ny famonoana ireo misionera koreanina mianaka, tany Morarano Gara, Moramanga, ny zoma alina teo. Raha ny fanambarana nataon’ ny Ambasadaorin’i Korea eto Madagasikara, nandritra ny fandoroana ny nofo mangatsiakan’ireo namoy ny ainy tetsy Fasanikarana, omaly, mangataka ny hanenjehana sy hampiharana ny sazy henjana ho an’ireo nahavanon-doza izy ireo. « Tsy hamela ny raharaha ho vita mora izahay fa hiara-hiasa amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy ireo », hoy i Park Ji-Hyun, ambasadaorin’i Korea.
Raha tsiahivina, nisy namono tao an-trano fonenany, tany Morarano Gara, Moramanga, ireo teratany koreana mianaka ireo : 88 taona sy 58 taona, ny zoma tamin’ny 11 ora alina. Niditra an-keriny sy nitaky ny vola rehetra tao an-trano ny jiolahy miisa fito nirongo fitaovam-piadiana. Notifirin’ireo olon-dratsy tamin’ ny basy avy hatrany ilay zanany 58 taona. Voatifitra teo amin’ ny fony izy ka maty tsy tra-drano.
Nototana vato
Niaro ny zanany vavy nandritra ny fanafihana kosa ilay rainy 88 taona. Sady nanolotra ny vola 3 tapitrisa Ariary an’ireo jiolahy. Nototan’ireo jiolahy tamin’ny vato ny fony ka naratra mafy. Nentina avy hatrany teny anivon’ny hopitaly izy ireo fa tsy tana intsony ny ainy. Niantso ny mpitandro filaminana ny mpamily tao an-trano, izay voan’ny bala teo amin’ny tanany, raha nampandre ny ambasadin’i Korea ny zanaka vavin’ilay pasitera.
Madagasikara mba hizara ny filazantsara ireo misionera mianaka maty ireo. Ankoatra izay, nanam-paniriana ny hampivoatra ny fambolem-bary koreanina teto amin’ny Nosy ihany koa izy ireo. Niompana betsaka tamin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana ny asa nosaha-niny.
Mino