Orinasa Base : Tsy ho an’ny lehilahy irery ny fitrandrahana

Anisan’ny nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, ny 8 marsa teo, ny orinasa Base Toliara tany Maromiandra, distrika Toliara II, anisan’ireo kaominina dimy iasany. Nisy ny hetsika nanehoan’ny fikambanan-behivavy fa afaka mahaleo tena izy ireo. Nambaran’i Sa­bine Hélène, filohan’ny fikambanam-behivavy, fa isaorana ny filoham-pirenena nanokatra indray ny Base. Efa nisy ny tetikasa nataony ho an’ny tanora vehivavy, nampiofana amin’ny fanamboarana mofo, ny rafi-trano, ny fitondrana fitaovam-pitrandrahana vaventy, sns. Anisan’ny niofana ary mahay manao mofo aho, saingy tsy ampy ny fitaovam-piasako. Mino aho fa ha­nohy hanampy ny kaominina Maromiandra ny Base, toy ireo tanora vao nahavita fianarana.
Nandray anjara tamin’ny filaharambe nitety tanàna tao an-tampo-tanàna Toliara ny vehivavy miasa ao amin’ny orinasa Base, mivondrona ao anatin’ny fikambanana Am­pela Mahery, niafara tao amin’ ny Kianja mitafo Toliara. Ni­laza i Volafeno Nomenjana­hary Myra, mpiasa ao amin’ny orinasa, fa « sambany tao anatin’ny 5 taona nikatonan’ny Base no nandray anjara toy izao izahay. Hasehonay fa tsy natao ho an’ny lehilahy irery ihany ny asan’ny fitrandrahana ambanin’ny tany, fa mahavita koa ny vehivavy ».
Nisarika ny vehivavy na­many i Boto Amédée, hangataka asa sy hanaraka fiofa­nana ao amin’ity orinasa ity.
« Tsy misy fanavahana ny lahy sy ny vavy ao », hoy izy.

Njaka A.

Partager sur: