Hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny Oniversiten’Antananarivo ny antony hijoroan’ny Pr Randrianasolo Rivoarison, amin’ny maha kandidà ho filoha azy.
«Fotoana izao tokony hisandratan’ny Oniversiten’Antananarivo ho fitaratra amin’ny fandrosoana », hoy ny Pr Randrianasolo Rivoarison, kandidà laharana voalohany amin’ ny fifidianana filohan’ny oniversite, nandritra ny famelabelaran-kevitra nataony teny Ankatso, omaly. Nambarany fa hitondra anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny Oniversiten’Antananarivo no tena antony hijoroany. Ho an’ny telo taona manaraka, tsinjovina manokana ny mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ireo mpianatra. Hampiana izy ireo mba hahomby amin’ny asa sy andraikitra sahaniny ary omena fitaovana ihany koa.
Ankoatra izay, « fotoana izao hanananan’ny Oniversiten’Antananarivo fahaleovan-tena amin’ny fampiasana angovo azo avy amin’ny masoandro sy ny rano », hoy hatrany izy. Amin’ny maha fitaratra ny Oniversiten’Antananarivo, tsy tokony ho tara amin’ ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ka hametrahana Connexion eny an-toerana. Ezahina apetraka ny fandriampahalemana feno eny anivon’ny oniversite amin’ny alalan’ny fampiasana camera miisa 90 hanaraha-maso ny filaminana. Averina ihany koa ny fampisakafoana ho an’ny mpiasa sy ny mpianatra.
Raha te hametraka fitoniana ara-tsosialy, tokony hapetraka ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Vahaolana ny fanafainganana ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fametrahana ny Digitalisation sy ny rindra ara-kajy. Hapetraka ihany koa ny fifampiresahana amin’ny minisitera tomponandraikitra mba hametrahana ny tetiandro fizarana vatsim-pianarana ho fiarovana ny fitakiana sy ny fitokonana mety ho ataon’ny mpianatra.
Mino