“XXLSmatchin by Be Connect” : Tompondaka 2025 ny IUM sy ny ESsca

Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-11 amin’ny “XXL Smatchin by Be Connect”. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny IUM, vehivavy, sy ny ESsca.

Avo lenta ny lalao famaranana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nataon’ny IUM sy ESsca tsy nipetraka ny mpijery basikety tonga teny an-toerana. Hatrany amin’ny ampahefa-potoana voalohany ka hatramin’ny ampahefa-potoana farany, tsy nijanona nifanenjika ny isa teny amin’ny solaitrabe ary matetika no sahala hatrany izany. 42 no ho 42 ny isa nisarahan’ny roa tonta teo am-piafaran’ny fotoana ara-dalàna ka tsy maintsy niroso tamin’ny fanalavam-potoana ny fihaonan’ny IUM sy ESsca . Nanomboka teo, somary nangatsiatsiaka ny ekipan’ny ESsca ka nanomboka lasa lavitra ny IUM ary tafavoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 52 no ho 44, ny ekipan’i Anyssa sy ry Sahaza. Tsiahivina fa fanindroany izao no voahosotra ho tompondakan’ny Smatchin ny ekipan’ny IUM, izay vao tamin’ny taon-dasa ny anaram-boninahitra voalohany no azony.

Tsy afa-bela nanoloana ny ESsca ny Aceem

Teo amin’ny sokajy lehilahy, Somary nahazo aina ny ekipan’ny ESsca tany am-boalohany, nisesisesy ny fampidiram-baolin-dry Rino sy ry Yoh. Teo amin’ny ampahefa-potoana faharoa anefa, nanenjika ny Aceem ka nifanakaiky ny isa teny amin’ny solaitrabe. Isa 35 no ho 31 no nisarahan’ny roa tonta teo am-piafaran’ny ampahefa-potoana faharoa. Nitohy ny ady ary vao mainka niha nafana nandritra ny ampahefa-potoana fahatelo sy fahefatra. Samy nampiseho ny andaniny sy ny ankilany fa mendrika ny hibata ny amboara. Nanampy izany koa ny mpanohana azy ireo tsirairay ka vao mainka niady ny fifandonana. Tsy nisy nanaiky resy saingy azon’ny ekipan’ny ESsca ny fandresena , rehefa nanao tandrevaka kely ny ekipan’ny Aceem teo amin’ny fanalavam-potoana. Isa 74 no ho 69 no nisarahan’ny roa tonta ka voahosotra ho tompondakan’ny Smatchin andiany faha-11, sokajy lehilahy, ny ekipan’ny ESsca.

Nafana ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina

Nafana ny famaranana ny fifaninanana basikety natokana ho an’ny Oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, tamin’ity andiany faha-11 ity. Ankoatra ny lalao basikety izay tena ivon’ity hetsika ity, fifaninanana isan-karazany ihany koa no nitranga sy nandravaka izany. Omaly avokoa no nanaovana ny famaranana teo amin’ny “Miss et Mister”, “Dance Contest”, “Dunk”, “Slam”, “E-Sport” sy ny maro hafa. Nampiavaka ny hetsika ihany koa ireo mpanakanto marobe nanafana ny lanonana. Anisan’izany ry Parish, L Jo, D Lain ary tena nampitolagaga ny rehetra ny fampiraham-peon’i Big Mj sy Arnaah .

Lavo ny andrarezina

Anisan’ny nanamarika ity andiany faha-11 ny Smatchin ity ihany koa ny tsy nahatafakatra ny ekipa tompondaka farany, sokajy lehilahy, ny U-Magis tamin’ny famaranana. Votsotra teo am-pelatanan’ny andrarezina ny amboara izay azony nandritra ny 2 taona nisesy. Teo amin’ny manasa-dalana no nifarana ny lalan’ny U-Magis, lehilahy, rehefa lavon’ny ekipan’ny ESsca, tamin’ny isa 64 no ho 53. Nangidy tamin’i Manu sy ny namany ity manasa-dalana ity satria azo lazaina ho natoky tena izy ireo teo am-panombohan’ny lalao saingy nisy ny tandrevaka madinidinika ka nitarika tamin’izao faharesena izao. Tetsy ankilany nivoatra be ny ekipan’ny ESsca tamin’ity andiany ity, porofon’izany, nahatongavan’ny ekipa lahy sy vavy hatrany amin’ny famaranana.

Tompondakan’ny E-Sport i Rayan
Teo amin’ny fifaninanana “E-Sport”, tsy mbola nisy nahatohitra ny tompondaka, i Mamitiana Rayan avy amin’ny EGS tamin’ity andiany faha-11 ity. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 44 no ho 39 i Rayan, nanoloana an’i Kevin Martial avy amin’ny Inscae, teo amin’ny famaranana. Hatreto tsy mbola nisy nahavita nandresy an’i Rayan ireo mpifanandrina teo amin’ny fifaninanana “E-Sport” hatramin’izay nisian’ny lalao tao anatin’ny Smatchin. Tsiahivina fa fifaninanana iray efa fanao isaky ny Smatchin ny E-Sport saingy nisy fiatoana kely, ary izao niverina izao indray.

Nanatontosa: Miarintsoa.Raz

Partager sur: