JJB-London Spring IBJJF : Nandrombaka medaly 2 ny Malagasy

Namiratra indray ny Malagasy mpiangaly ny taranja Jiujitsu brezilianina, nandritra ny fifaninanana “London Spring IBJJF”,  natao tany Angletera, ny faran’ny herinandro teo. Samy nahazo medaly i Aiky sy i Mahasoa.

Vokatra tsara indray no norombahin’ny Mala­gasy mpikatroka ny ta­ranja Jiujitsu brezilianina,  nan­dritra ny “London Spring IBJJF”,  natao ny faran’ny herinandro teo. Nandrombaka medaly volafotsy Ranarivelo Mahasoa, teo amin’ny sokajy GI Infant, latsaky ny 40 kg, tepany volondavenona. Mpi­katroka avy amin’ny New School BJJ i Richards Pha­raoh no resin’i Mahasoa, teo amin’ny manasa-dalana. Tao anaty tsy fahasalamana i Mahasoa, ny alina mialoha ny niatrehany ity fifaninanana ity ary efa saika tsy hiakatra, saingy izao nahazo vokatra tsara izao. Tsiahivina fa efa nahazo medaly volafotsy ihany koa ity Malagasy mpikatroka vao 9 taona monja ity, tamin’ny “AJP West Euro­pa”,  ny 7 jona lasa teo. Efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany tany Abu Dhabi ihany koa izy,  ny taona 2025 ary nahazo medaly alimo. Tetsy ankilany, niambozona medaly alimo  i Aiky Iloaina,  teo amin’ny sokajy Juvénilles, latsaky ny 64 kg,  tepany manga. Efa nahazo ny medaly alimo ihany koa izy  nandritra ny “AJP West Europa”,  ny 7 jona lasa teo.

Mi.Raz

 

Partager sur: