50 ny mpifaninana nisafidianana ireo tanora hisolo tena ny ekipa malagasy nataon’ny STEM For Good, amin’ny hetsika “First Global Challenge 2025”, hatao any Panama City, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao. Fifaninanana maneran-tany momba ny robotika ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona izy ity ary tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifanitsanana handraisana ireo nisongadina, hiaro ny voninahi-pirenena. Barisoa Andrianina (16 taona), Nomenjanahary Marie Luciana (17 taona), Rakotoharijaona Tafita Fenohanitra (15 taona), Andriafelinoiny Mandresy Nathan (15 taona) ary Randrianaivo Jérémie Fandresena (16 taona) no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Lohahevitry ny fifaninanana amin’ity taona ity ny “Eco Equilibrium hifototra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary hitondrana vahaolana miavaka hiarovana ireo harena voajanahary”. 190 ny firenena handray anjara amin’ny hetsika.
Efa nisongadina i Madagasikara nandritra ny “First Global Challenge 2024” satria nandrombaka medaly volamena. Manentana ny orinasa sy ny olon-drehetra liana amin’ny teknolojia ny mpikarakara hanohana ny ekipa malagasy.
Vonjy