Fambolen-kazon’ny ANTM : Hamelo-maso ny zavamaniry fanao fanafody

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ankazomalaza, Ambohimanga Rova, ny Fi­kamb­anan’ny mpitsabo nentim-paharazana (ANTM), ny faran’ny herinandro teo. Efa nanatanteraka izao hetsika izao izy ireo tao anatin’ny efa-taona nisesy. Hetsika natao hitarihana ny mpikambana rehetra mba hiaro ny tontolo iainana, araka ny lalàna amam-pitsipika mifehy ny ala. 15 000 eo ho eo ireo zavamaniry fanao fanafody misy eto Madagasikara. 80% amin’izy ireo no tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. “Efa manomboka lany tamingana ny ankamaroan’ireo zavamaniry ireo ka antony hanaovana ny fambolen-kazo”, hoy ny filohan’ny ANTM, Andriandrainarivo Jo­sephin Rasamivelona. Nam­barany fa anaty ala ny farmasian’ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo. Miezaka ny eo anivon’ny mpitsabo nentim-paharazana mamoha sy mamelona ireny zavamaniry fanao fanafody any anaty ala ireny. Arakaraka ny aingampanahin’ny mpitsabo nentim-paharazana tsirairay avy. « Natao ny hetsika mba hiaraha-mientana amin’ny fahadiovana sy ny fitandroana ny aty ala mba tsy ho ringana », hoy izy. Velaran-tany manodidina ny 10ha no fenoina hazo eny an-toerana. Manodidina ny 10 teo ireo karazan-kazo maro novolen’izy ireo. Teo ny tsitohaina, hazo mananjara, ravintsara, voandelaka izay natao ho fanatsitranana aretina 150 isa. Tonga maro nanohana ny antso ny avy amin’ny fikambanana eto Antananarivo sy ny avy any amin’ny faritra hafa. Nanohana izany koa ireo vahiny monina any ivelany, toy ny avy any La Réunion.

Mino

Partager sur: