∑P11Tanora manodidina ny 500, avy amin’ny firenana 54 aty Afrika no handray anjara amin’ny Fihaonamben’ny tanora mahakasika ny toekarena manga (Fojaeb) andiany faharoa, ao Toliara. Hifampizara traikefa mandritra ny telo andro ao an-toerana ireo tanora afrikanina sy ireo manam-pahaizana maro ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony. Toerana ahitana ranomasina, renirano, seranan-tsambo, fanjonoana madinika sy vaventy ary salatsalany, fiompiana zanga, fambolena lomotra i Toliara. Mbola any an-toerana ihany koa ny Institut halieutique et des sciences marines eto Madagasikara sy ireo valanjavaboahary anaty ranomasina harovana isan-karazany. Antony hanaovana ny hetsika ao an-toerana, ny 17 ka hatramin’ny 19 avrily, izany.
Marihina fa afrikanina avokoa ny 60% ny tanora maneran-tany. Zava-dehibe sy fanoitra ahafahana miatrika ny filana amin’ny maha olombelona ny toekarena manga. Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa izy satria mamelona tokantrano an-tapitrisa sy manome asa ho an’ny tanora.
Henintsoa H.