Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy ny angovo ny sehatry ny niomerika. Manatsara ny fitantanana, ny fampandrosoana ny tambajotran-jiro ary mampiroborobo ny tontolon’ny fanabeazana ary ireo fiofanana samihafa izy io. Navoitran’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Stéphanie Delmotte, ny momba ny Nexus Energie et Numérique, nandritra ny “Global Digital Summit 2025” tany Washington, ny tetikasa Decim. Fandaharanasa mikendry ny hisitrahana ny angovo sy fampifandraisana tambajotra mba hampiroboroboana ny faritra ambanivohitra. Mamatsy vola mitentina 97 tapitrisa dolara amin’ny fizarana fitaovana niomerika miisa 664 000 ny tetikasa ka natokana ho an’ny vehivavy ny 400 000 amin’ireo fampitaovana. Manohana ihany koa ireo orinasa madinika mampiasa vola amin’ny « mini-grids » ny fandaharanasa mba hanamora ny fifandraisana amin’ireo mponina mitoka-monina. « Tsy ho azo ampiasaina velively ireo fitaovana niomerika raha tsy misitraka herinaratra azo antoka ny mponina, indrindra ny any ambanivohitra», hoy ny minisitra.
Ankoatra izay, nisitraka famatsiam-bola mitentina 55 tapitrisa dolara i Madagasikara hanitarana ny tambajotra amin’ny faritra lavitra sy mitoka-monina. Modely azo hampiharina maneran-tany ity paikady iraisana ity ary sarobidy ny fiaraha-miasa ara-bola hanamafisana sy hanafainganana io fanovana io, araka ny fanazavana voaray.
Henintsoa H.