Mitentina 110 tapitrisa dolara ny vola vatsian’ny Banky iraisam-pirenena hanavaozana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Voakasik’ izany ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny fanavaozana ireo seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema. Eo koa ny famatsiam-bola hanohanana an’i Madagascar Airlines sy ny vina hametrahana ny lalam-by vaovao mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo.
Hitarika sy hanao fizarana mandritra ny Finance Leadership Forum any Washington, ny 22 avrily, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Horesahiny manokana ny famatsiam-bola hampandrosoana an’i Afrika. Hotanterahana amin’io fotoana io ihany koa ny Spring Meeting izay karakarain’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena.
Tokony hanana ny teniny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara amin’ny maha mpamokatra lavanila azy voalohany maneran-tany. Mbola maro anefa ireo firenena tsy mitovy hevitra amintsika. Mila resena lahatra izy ireny ka ampahafantarina azy fa avy eto Madagasikara ny ankabeazan’ireo lavanila hita maneran-tany.
Nisitraka fampitaovana avy amin’ny orinasa Ambatovy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ao Toamasina. Nisitraka « imprimantes » miisa fito, solosaina roa izy ireo ho an’ny fampandrosoana ny eny an-toerana. Nahazo fitaovam-panindromana miisa 12 600 avy amin’ny orinasa ihany koa ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.