GIZ-Tosika Angovo: Fampisitrahana herinaratra any ambanivohitra

Mpiara-miombon’antoka manan-danja amin’ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra ny Vondrona eoropeanina sy Alemaina. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny hetsika Tosika Angovo, tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà GIZ.

Manohana mivantana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny Vondrona eoropeana sy Alemaina, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà GIZ. Voakasik’izany ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra. Misy ny he­tsika Tosika Angovo (Tango), ao anatin’ny fandaharanasa Perer 3 sy ny Global Gateway, iarahan’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny Fiaraha-miasa ara-toekarena alemà (BMZ) mamatsy vola. Nilaza ny lehiben’ny Perer/Tango, Carlos Miro, fa «natao ity tetikasa ity satria mbola ny 36% ny Malagasy no misitraka herinaratra, taha ambany indrindra aty Afrika, izany hoe, tombanana ho 19 tapitrisa».
Vita sonia ny janoary 2025 teo, ny fifanarahan’ny governemanta malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ary ny mpamatsy vola vahiny hafa, ao anatin’ny «Mission 300», mahakasika ny Fifanarahana nasionaly ho an’ny angovo eto Madagasikara. Tanjona ny hanatrarana ho 80% ny Ma­lagasy misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030. Na­namafy i Carlos Miro, fa hanana andraikitra lehibe amin’io fampiakarana ny tahan’ny mponina misitraka herinaratra io ny orinasa tsy miankina. Manodidina ny 7 miliara dolara ny fampiasam-bola ilaina, ka tokony ho avy amin’izy ireo ny maherin’ny antsasany (50%) amin’io vola io.
Tapany atsimo
Hampihatra paikady vaovao ny Perer andiany fahatelo. Hatao tetikasa fitaratra ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Hisy fepetra sy fitsipika hanamora ny fisitrahana ny herinaratra sy ny famokarana angovo mitondra fampandrosoana. Efa nisy ny fiaraha-miasan’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fiaraha-miasa frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) tao anatin’ny tetikasa Angovo. Nomarihin’i Carlos Miro fa paikady hataon’ny hetsika Tango kosa ny fampidirana sy ny fampiasana herinaratra isaky ny distrika, amin’ny sarany mora. Anisan’ izany ny fitaovana sy kojakojana herinaratra madinika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: