Toko Bey Telo: 2 ha amin’ny 2 000 ha no ampiasaina any Andaboy

Nohitsin’ny fikambanana Toko Bey Telo Temilahehy any Toliara, fa « ambadika politika ny hetsik’ireo manohitra ny tetikasa Base ». Nambaran’ny filohany, Randriatahiny, fa « mila mandray ny andraikiny hifehezana ny filaminana ny fanjakana. Raha tena raiamandreny ianareo mpanao politika, mitadiava mpampiasa vola hapetraka eto Toliara, hanome asa ny tanora. Marobe ny mponina manana fanantenana amin’ny Base. Azo tarafina ny tombontsoa entin’ny fitrandrahana fasimainty any Taolagnaro ».
Nilaza Rakotomanana Parfait, mpikambana ao amin’ny Toko Bey Telo, fa « ny 2 ha amin’ny velaran-tany 2 000 ha ihany no hampiasain’ny tetikasa any atsimon’ny morontsirak’Andaboy. Izany hoe, afaka manohy tsy tapaka ny fihariany ny mponina manodidina ».
Nambaran’ny filohan’ny fikambanan’ny Tanora Toliara, i Leda Bokassa, fa « tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany ireo mpanao politika ireo. Ataony sorona ny tanora amin’izao hetsika izao. Marobe ny mponina manohana ny Base Toliara satria azo antoka fa hitondra fampandrosoana ».

Njaka A.

Partager sur: