VAOVAO TAMBATRA

Tsy mahakasika ny arabe migodana velively ny fikasana fanotorana tany eny Ambatolampy Tsimahafotsy. Narahina ny dingana rehetra, toy ny fakan-kevitra tamin’ny vahoaka nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Entanina ny rehetra tsy ho voarebirebin’ny vaovao diso.
Lohahevitra 4 no hodinihin’ny fivorimbe COI, andiany fahadimy, amin’ny 24 avrily ho avy izao, eto Antananarivo. Voakasik’izany ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny fiarovana an-dranomasina, ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ary ny fampandrosoana maharitra ny tontolo an-dranomasina aty amin’ny faritra.
Teknika hampiakarana ny voka-bary ny Pfumvudza. Miisa 130 ny Malagasy teknisianina efa nahazo fiofanana mahakasika izany, ny 18 hatramin’ny 25 marsa teo. Nisy ny fampiharana teny an-kianja, nanampy ny tanaty trano. Hizara ny traikefany manerana ny kaominina izy ireo.
Maro ny asa efa vita eo amin’ny « rond-point » Mahabibo Mahajanga mankany amoron-dranomasina. Mitohy koa ny eny amin’ny zaridaina Santatra sy ny BFV Mahajanga Be, ny eo amin’ny zaridaina Kaila hatrany amin’ny Star Belobaka. Torak’izany koa ny mankany amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy.

Partager sur: