Nanakoako manerana ny Nosy, omaly, ny andro ho an’ny manamboninahitra teo anivon’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena. Andro izay tsy fanaovam-pety fotsiny, fa andro manamarika ny fizakan-tena sy ny fahavononana hanompo hatrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Andro izay hametrahana fanamby goavana ihany koa ho an’ny vata-miaramila tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. Tanindrazana sy vahoaka, ireo no anisan’ny andry iankinan’ny fototra, ijoroan’ny vondronkery isan-tsokajiny mandrafitra ireo rafitra roa voalaza ireo.
Tanindrazana, mazava ho azy fa na inona na inona zava-miseho, tsy afa-miala amin’ny fitandrovana ny fiandrianan’i Madagasikara ny mpitandro filaminana, indrindra ny manamboninahitra natao ho mpitarika. Mifanindran-dalana amin’io ny fiarovana ny fanjakana mijoro, izay mariky ny fisian’izany firenena manana ny maha izy azy izany. Rariny sy hitsiny raha mipetraka ho mpiaro ny andrimpanjakana sy ny rafitra misy izy ireny. Matetika anefa, izay iraka voalazan’ny lalàna izay no hanenjehana sy hanomezan-tsiny ny miaramila matetika. Adidy goavana mitambesatra eo antsorik’izy ireo izany ka tsy maintsy efaina.
Vahoaka, avy any anaty vahoaka ny miaramila ka miverina anaty vahoaka ! Izay rahateo no maha tandroka aron’ny vozona azy ireny. Sanatrian’ny vava tsy ho fitaovana politika na hatao fikatsahana tombontsoa manokana ny maha tafika na maha zandary. Marina fa toa ny olom-pirenena rehetra izy ireny. Manana ny filany amin’ny maha olombelona. Izay indrindra no tokony hanomezan-kasina manokana azy, manoloana ny iraka apetraka aminy. Anisan’ireny ny fampitaovana sy ny fampitomboana isa. Iaraha-mahalala fa mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana, mafampana ny raharaham-pirenena. Indrokely, zary sorona, noho ny lesoka amin’ny fitantanan-draharaha ataon’ny mpitantana « mpanao politika » ny ain’izy ireny. Miandrandra azy ireo ny vahoaka amin’ny fiarovana azy, kanefa atody miady amam-bato ihany, indrindra ny mpitandro filaminana any ambanivohitra rehetra any. Mahazo tombony ny malaso : manana basy, maro an’isa, mbola mahafehy ny toerana. Mila vonjy ihany koa ny miaramila izay ahitana ny tafika sy zandary. Tsy ampy ny fanomezan-tsiny azy ireny, satria betsaka ny hodidina tsy ahafahan’izy ireny manoatra. Mila tolo-tanana, tsy misy kajikajy politika. Fitiavana mihatra aman’aina ny an’ny mpitandro filaminana !
r.r