Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy harinkarena faobe ny indostria sy ny seha- pamokarana. Andraikitry ny « autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales » (ANMCC) ny mametraka ny fepetra fiarovana ara-barotra ny vokatra eto an-toerana.
Manara-maso ihany koa ny fenitry ny kalitao manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany. Misy noho izany ny ezaka ara-kalitao sy habetsaky ny vokatra takiana amin’ireo orinasa malagasy mpamokatra. Ao anatin’izay ny fampitomboina vokatra sy fandrindrana ny tolotra hamaliana ny filàn’ny firenena. «Miisa 12 ny vokatra nisitraka izany. Tanjona ny hiarovana azy ireny manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany», hoy tale jeneralin’ny ANMCC, Barthélemy. Andraikin’ny ANMCC ny mampiakatra ny haban-tseranana aloan’ireo vokatra afarana (droit additionnel). Izy ihany koa ny mametra ny lanjan’ireo vokatra avy any ivelany afaka miditra eto amintsika. Mihatra avy hatrany arak’izany ny fampakarana haban-tseranana 26% raha mihoatra ny tokony ho izy izany.
Vokatra malagasy
Ho hita mandritra ny andron’ny seha-pamokarana ny 16 ka hatramin’ny 18 mey eny amin’ny kianja Barea Mahamasina ireo vokatry ny indostria eto an-toerana ho fampiroboroboana ny vokatra malagasy. Hisongadina mandritra ny hetsika ny vokatra azo avy amin’ny fampiharana ny fiarovana ara-barotra sy ny vokatr’ireo orinasa madinika toy ny « One district one factory » (Odof) sy ny maro hafa. Voizin’ny ANMCC rahateo ny fijerena ny lafiny ara-kalitao sy ny vidiny. « Miaro ny vokatra malagasy ny olona iray rehefa manjifa izany sainy ny fifaninanana tsy ara-dalàna no mampihahotra ny mpanjifa amin’ny fividianana ny vokatra eto an-toerana », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tanjona ny hanomezana vidin’entana mirary sy tsara kalitao afaka mifaninana amin’ny any ivelany, hoy koa ny tompon’andraikitry ny sersera avy amin’ny vondrondra Hematlal Veljee (HV), Andriamanarivo Shekinah.
Henintsoa Hani




