Miverina mitontonga indray ny vola malagasy. Mielanelana 346,44Ar ny sandan’ny Euro sy ny dolara eo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 4 980 Ar ny euro iray, mihoatra ny 4 600Ar kosa ny 1 dolara. Porofo izao fa ambony lavitra ny vokatra hafarantsika raha oharina amin’ireo miondrana.
Handray anjara amin’ny hetsika World Travel Market Africa (WTM) i Nosy Be. Vovonana iraisam-pirenena momba ny fizahantany. Hisongadina mandritra ny hetsika ireo mampiavaka ny nosy manitra sy ireo zava-boary manodidina azy. Dingana stratejika hanamafisana ny fampahafantarana an’i Nosy Be maneran-tany ny WTM, hisarihana ihany koa ny mpizahatany hitsidika an’ity Nosy miavaka ity.
Manohana ny famokarana biolojika ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana( Minae). Ao anatin’izany ny fanohana ny tantsaha mpamokatra amin’ny famokarana biolojika, toy ny « baie rose ». Manohana azy ny ministera miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka, iarahana amin’ny tetikasa Pic, avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, any amin’ny distrika Taolagnaro, faritra Anosy.




