Taolagnaro: Nandrotsaka 13 699 982 dolara ho an’ny fanjakana ny QMM

Manana petra-bola ao anatin’ny orinasa QMM ny fanjakana malagasy. Misy ny fizarana ny tombom-barotra aorian’ ny tombana ara-bola isaky ny taom-piasana

Natolotry ny filankevi-pitantanan’ny QMM,
ny 3 avrily teo, ho an’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny orinasam-panjakana Tahirimbola fonds souverain SA (FSM), ny taratasim-bola mitotaly 13 699 982 dolara, Zara tombony (dividendes) azony ho an’ny taom-piasana 2023. Zara tombony taorian’ ny Vokatra ara-bola ny 1 699 982,53 dolara amin’io, ary Zara tombony manokana ny 12 000 000 dolara ho an’ny Tatitra indray (Report à nouveau) ho an’ny taom-piasana 2023. Nanome toky ny FSM ny hampiasana amin’ny fomba mangarahara ireo vola ireo.
Nilaza ny tale mpanatanteraky ny QMM, Isabelle Wa­bete, fa, manaiky ny hampiroborobo ny asa fitrandrahana fasimainty amin’ny fomba tompon’andraikitra ny QMM. Endriky ny fanohanan’ny fanjakana malagasy hitsinjovana maharitra ny hoavy ny fanomezana ny zara tombony ho azy izao. Mameno ny tombontsoa samihafa azon’ny mpisehatra rehetra, ka ao anatiny ny vondron’olona ao amin’ny faritra Anosy sy Mada­gasikara.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG) mpisolo toerana, ny FSM, Rasolondraibe Tsiresy, fa niova nanomboka ny mey 2024 ny endriky ny anjara petrabolan’ny fanjakana ao anatin’ny QMM. Nafindra amin’ ny FSM izany raha ny Omnis no nisahana azy teo aloha. Manana sata hitantanana ny hampiasana io vola io ny FSM iarahany amin’ny mpampiasa vola eto an-toerana na vahiny.

Dingana vaovao
Nanamafy ny filohan’ny Filankevi-pitantanana QMM, Rakotomalala Fanja, fa « feno ny fepetra rehetra handro­tsahana ny zara tombony ho an’ny fanjakana malagasy, taorian’ny nanendrena ny DG mpisolo toerana ». Dingana vaovao ho an’ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny orinasa reniny Rio Tinto hisian’ny fi­trandrahana maharitra ataon’ ny QMM any Taolagnaro izao fiaraha-miasa izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: