Tsy niova ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala. Nijanona toy ny tamin’ny volana marsa ny vidin’izany amin’ity volana avrily ity. Izany hoe, 5 320Ar/l ny vidin’ny lasantsy (SP 95) ary 4 970Ar/l kosa ny gazoala. Ho an’ny solika fandrehitra, niakatra 3 030Ar/l ny vidiny mihatra nanomboka ny sabotsy teo sy mandritra ny volana avrily, raha ny navoakan’ny ny Ofisim-pirenena momba ny akoranafo (OMH) raha toa ka vidina 2 830Ar/l izany ny volana marsa teo. Izany hoe, nahitam-piakarana 200 Ar (+7,1%) tamin’ny vidiny teo aloha ny vidiny ho amin’ity volana ity. « Mbola latsaky ny 600 Ar amin’ny vidiny tena izy (vérité de prix) ny vidin’ny solika fandrehitra », hoy ny tale jeneraly mpisolo toeran’ny OMH, Raveloson Cydolain, nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety, ny sabotsy teo.
Fampiharana fahefatra ny fiovan’ny vidin-tsolika izay faritan’ny didim-panjakana laharana 2025-045, tamin’ny 17 janoary 2025, ny amin’ity volana avrily ity. Noho izany, mila mizatra amin’ny fiovan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Na izany, “malalaka ny safidy amin’ny fampiakarana na tsia ny vidin-tsolika ho an’ireo toby mpaninjara izany (station-service) izay any amin’ny toerana mihoatra ny 15 km miala ny toby fitahirizan-tsolika (dépôt pétrolier)”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani