Tafakatra 5 000 Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola iraisam-pirenena. Tsy mitsaha-mitontogana ny vola malagasy. Omaly, nisanda 5 001,53 Ar ny euro ary 4 628,41Ar kosa ny dolara. Tsy mifandanja ny fivezivezen’ireto vola vahiny ka mahatonga ny vola euro midangana. Ambany ny toekarena malagasy ka misongadina ny vokatra afarantsika avy any ivelany.
Nifampidinika momba ny hanatsarana ny sehatry ny fandraharahana ao amin’ny faritra Anôsy ireo solontenan-panjakana sy avy amin’ny sehatra tsy miankina (DPP). Nisy ny fikaonandoha momba ny Ehoala Park sy ny hahafahana miantso mpampiasa vola. Tanjaka lehibe ho an’ny faritra ny fisian’ny velaran-tany 440 ha Ehoala Park misy herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy rivotra ka azo anaovana fandraharahana amin’ny sehatra marolafy.
Velon-taraina mahakasika ny fahatapahan-drano lavareny ny fiarahamonina. Voatery manova ny fandaharam-potoanany ny isan-tokantrano hahafahana mitady rano sy mantsaka any amin’ireo toerana ahafahana mahazo izany. Mandany vola aman-karena ny tokantrano malagasy vao misitraka rano madio izay loharanon’aina sy fototry ny fampandrosoana. Misy mihitsy ireo nahazo aretina noho ny fiaretan-tory sy fitadiavana rano manerana ny fokontany.