Fizahantany : An-jatony ny handray anjara amin’ny ITM 2025

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Mada­gasikara (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka, handray anjara amin’ny “Inter­national Tourism Fair Mada­gascar (ITM) 2025”. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny asa tanana, Dewa Viviane, sy ny tale jeneralin’ny ONTM, Bari­velo Danny.
Andiany faha-11 ity hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany ity, hatao ny 12,13, 14 ary ny 15 jona 2025, eny amin’ny CCI Ivato. Ma­hatratra 476 ny isan’ny tranoheva ho an’ny mpandray anjara eto an-toerana sy avy any ivelany. Lohahevitra horaisina ny «Mizotra mankany amin’ny fizahantany ho lovain-jafy», mifantoka amin’ny fitandroana ny tontolo iainana. Homen’ny ITM lanja manokana ny fampiasana ny teknolojia niomerika, mba hahafahana mampihena ny fanimbana ny tontolo iainana. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara. Hatao amin’io fotoana io koa ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana, “International Handi­craft Madagascar (IHM)”, andiany faharoa.
Fotoan-dehibe fanararaotra ho an’ny matihanina isan-tsokajiny amin’ny fizahantany, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana,tohanan’ny governemanta ao anatin’ny tetikasa Pic, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ity hetsika ity.

Njaka A.

Partager sur: