Vinavinaina ho vita afaka 10 andro ny fivilian-dalana eo amin’ny reniranon’i Efasy. Tsy afaka ampiasaina kosa ny fiampitana «bac» any Mahavavy satria ambany loatra ny haavon’ny rano. Tsy afaka niampita, noho izany, ny olona sy ny fiara. Afaka 15 andro no heverina fa ho vitan’ny orinasa Colas ny fanamboarana ny fivilian-dalan’ny fiara.
Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy rahampitso ny «Mission économique et commerciale au Canada» (MECC). Hetsika stratejika hanamorana ny fidiran’ny orinasa malagasy eo amin’ny tsena kanadianina. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola sy hanamafy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta hampandrosoana ny toekarena.
Nisitraka fitaovana hiadiana amin’ny afo ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Matsiatra Ambony. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Drafitra hiatrehana ny ady amin’ny afo ity hetsika ity, iarahan’ny minisitera Medd, ny Pnud ary ny orinasa Qimpexx manatanteraka.
Mbola mihoatra ny 5 000Ar ny sandan’ny euro iray eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola vahiny. Omaly, niakatra 5 006,26Ar izany raha toa ka 5001,53 Ar ny alatsinainy teo. Porofo izao fa mitotongana ny toekarem-pirenena, midangana ihany koa ny vidim-piainana eto Madagasikara.