Vokatry ny fanadihadian’ny USAP-CMA 2025: Niakatra ho 67,07% ny naoty azon’i Madagasikara

Tsara ny vokatra! Niakatra 25 ny isa azon’i Madagasikara taorian’ny fanadihadiana mom­ba ny «Universal Se­curity Audit Programme – Continuous Monitoring Ap­proach» (USAP-CMA) na­taon’ny Organisation internationale de l’Aviation Civile (OACI), ny 13 ka hatramin’ny 22 janoary 2025. Noha­dihadiana avokoa ireo mpisehatra ana habakabaka eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar (ACM) ka nahazoantsika naoty 67,07% izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana faha-12 alohan’i Seychelles sy Mo­zambika. «Porofo izao fa azo antoka ny lanitr’i Madaga­sikara ho an’ireo sidina eto an-toerana sy avy any ivelany», hoy ny minisitry ny Fita­terana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Va­lery, omaly. Notohizan’ny tale jeneralin’ny ACM, ny kolonely Damasy Gervais, fa «nohatsaraina ny fotodrafitrasa samihafa, nisy ny fampiofanana maro natao ho an’ireo mpiasa ary nojerena ihany koa ireo fitsipika anatiny».

Vina
Maro ny soso-kevitra naroson’ny OACI ary vonona hanohy ny ezaka hanatsarana ny efa vita ny ACM. Tsiahivina fa 41,22% ny naoty azon’i Madagasikara tamin’ny fanadihadiana farany, ny 2013, izay nametraka ny firenena tao amin’ny «annexe B».
Ankehitriny, azo antoka ny lanitry ny Nosy, amin’ny ala­lan’ny fahatongavan’ireo kaompaniam-pitaterana ana habakabaka avy any ivelany. Amin’izao fotoana, mitombo 6 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Emirates nanomboka ny 2 avrily raha 4 monja izany taloha. Hitombo 17 isan-kerinandro ihany koa ny sidina ataon’ny kaompaniam-pitaterana Ethiopian Airlines manomboka ny volana jolay, raha 11 isan-kerinandro izany, ankehitriny.

Henintsoa

Partager sur: