WMG: Hanatanteraka « Salon du Chocolat et de la Gourmandise »

Hanasongadinana ny vokatra eto an-toerana no tanjona amin’ny « Salon du Chocolat et de la gourmandise », araka ny voalazan’ny mpikarakara. Hanampiana ny vehivavy hahaleo tena ny vola azo amin’izany.

Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy ho avy izao, tontolo andro, ny « Salon du Chocolat et de la Gourman­dise ». Hetsika andiany faha-7, karakarain’ny Wednesday Mo­rning Group (WMG). Nampiton­draina ny lohateny hoe: “Show Show Chocolat”. Ahitana hetsika samihafa, toy ny fampisehoana ny tontolon’ny chocolat, ny fampianarana manao lakozia sy ny maro hafa. Hetsika fanaon’izy ireo indray mandeha isan-taona izy io. Anisan’ny firenena mamboly cacao i Madagasikara ary manana cacao anisan’ny malaza indrindra maneran-tany. “Anasonga­dinana ny vokatra eto amin’ny firenena sy hahafahana ma­moaka ny talentan’ny Mala­gasy amin’ny famokarana vokatra vita amin’ny cacao ny antony nisafidianana ny tontolon’ny chocolat”, hoy ny filohan’ny WMG, Tsiranana Fiona, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, omaly. Tanjona amin’ny hetsika ny hahafahana mahazo vola hikarakarana ny vehivavy sy hanampiana azy ireo hahaleo tena. Amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana azy ireo amin’ny sehatry ny fanjairana. Miara-miasa amin’ny fikambanana samihafa sy ny fokontany izy ireo amin’ny fisafidianana ireo vehivavy sahirana te hisitraka ny fiofanana. Manodidina ny 30 ireo mpandray anjara amin’io hetsika io.
Hisy ny famoahana ny andiana mpianatra mitondra ny anarana hoe: Felana, ny 16 avrily 2025 ho avy izao. Ankoatra izay, manao asa sosialy maro samihafa ihany koa izy ireo. Toy ny fanamboarana salaka vita amin’ny lamba azo sasana, izay zaraina ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Lycée sy ny CEG.

Mino

Partager sur: