Naharitra adiny 5 ny fivoriana tany Toliara mahakasika ny Base Toliara, ny 11 avrily teo. Nitarika ny fotoana ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny mpiara-miasa aminy, nihaona tamin’ireo raiamandreny any an-toerana. Noresahina ny tombony ho azo amin’ny tetikasa, satria zava-dehibe ny fifampihainoana atao an-kitsim-po, isorohana ny disadisa.
Hatsangana ny toerana fanodinana ny hazan-dranomasina any Ampilao Manakara. Anisan’izany ny fanaovana trondro asaly. Hisy koa ny fametrahana ny Faritra manokana fiompiana trondro (ZEP) any Ivakoana, kaominina Marofarihy, distrika Manakara. Natao sonia ny 11 avrily teo ny fifanarahana fanofanana sy fitantanana ireo fotodrafitrasa roa ireo.
Hanomboka ny fanonerana ara-bola ireo tompon-tany tafiditra amin’ny fanamboarana ny arabe migodana (Antananarivo-Toamasina). Voakasik’izany ny eny Tsarasaotra, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy (PK 0) hatreny amin’ny kaominina Anosiavo (PK 3). Dingana voalohany ity hatao ity, ary mbola hitohy tsikelikely.
Miisa 25 ny teknisiana niofana mahakasika ny teknikam-pamokarana Juncao. Fiaraha-miasa teo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny masoivoho an’i Sina eto amintsika ary ny Oniversite sinoa any Fujuan. Teknika mifototra amin’ny fambolena holatra, azo hatao sakafom-biby, miaro ny tany ary mampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha.