Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hatao foibe famokarana masomboly vary safiotra ny any Antalaha

Tsy hisy intsony ny fanafarana vary avy any ivelany. Ho tanteraka izany amin’ny famokarana masomboly vary safiotra eto an-toerana, iarahana amin’i Sina.

Nidina tany Antalaha ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleo­van­tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny 11 avrily teo. Tao anatin’ny delegasionina ihany koa ny teknisianina avy any Chine, manam-pahaizana manokana amin’ny famokarana masomboly vary safiotra.
Nilaza ny solombavambahoaka voafidy tany Antalaha, Nasira Julien, fa mitsinjo ny hoavin’ny tantsaha any an-toerana ny famokarana ny masomboly vary safiotra. Hitombo ny tahan’ny vokatra satria hahatratra 8 t/ha, ka hiakatra ihany koa ny fari-piainany.
Dingana stratejika ity paikady nasionaly ity, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nohamafisin’ny Sekre­teram-panjakana Ranazana­mahefa Tahian’Ny Avo, fa « ho tratra haingana ny tanjona napetraky ny Filoha Ra­joelina, noho izao ezaka famokarana masomboly am­bony ny taham-bokatra izao. Feno ny fepetra amin’ny ha­nan­ganana ny foibe famokarana masomboly eto Beantondigisy Antalaha. Hamafisina ny fanitarana ny velaran-tany ho 100 ha any Ambodivoangibe, kaominina Ampahibe ».

Vala tahaka

Tsiahivina fa efa nisy vala tahaka napetraka, amin’ny famokarana masomboly vary safiotra, tany Antalaha, tamin’ny taona 2014, niarahana tamin’ny orinasa sinoa Yuan’s. Nahitam-bokany ny andrana natao tamin’ny velaran-tany mirefy 6 ha. Notsidihin’ny delegasionina ity toerana ity, sady notanterahina ihany koa ny fanetsana vaovao ho an’ity taom-pambolena ity.
Endriky ny fampandrosoana mivantana ny distrikan’Antalaha izao paikady izao, hampivoarana ny fari-piainan’ny mponina sy ny faritr’i Sava amin’ny ankapobeny.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: