Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tetsy Anosibe, ny alahady atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany, lasa teo. Nisangisangy ary heverina ho raikitra ady teny afovoan’ny arabe akaikin’ny Rond-point « Akoho », ireo roa lahy, 42 sy 38 taona. Voalaza fa mamo ny lehilahy iray tamin’ireo izay nitarika ny ady, raha ny loharanom-baovao tamin’ireo nanatri-maso. Mpivarotra sy monina etsy amin’ny fokontany Angarangarana ny iray. Raha toa ka mpamboly mipetraka any Alarobia Antanamalaza ilay lehilahy mamo. Nisy taxi-be mpitatitra olona nandalo ny lalana izay nisian’ny ady ka nahavoadoana azy roa lahy ireo. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy izy roa lahy. Nentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa ireo olona roa naratra mafy ireo. Tsy tana anefa ny ain’ilay lehilahy monina eny Angarangarana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Tezitra noho ny ratra mafy nahazo ilay lehilahy monina eny Angarangarana ireo mponina sy ireo vahoaka nanatri-maso taorian’ny tranga. Nikasa ny hanao valifaty tamin’io lehilahy mamo io, izay heverin’izy ireo fa anton’ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny avy amin’ny polisim-pirenena CSP5 Mahamasina.
Mino