Matanjaka amin’ny fizahantany ny faritra Diana. Vao mainka hampiroborobo izany ny tetikasa « Green Mada Land” any amin’ny Nosy Sakatia.
Niorina ny taona 2015 ny orinasa malagasy, Green Mada Land. Azony ny fahazoan-dalana hitantana ny Tahirin-tany ho an’ny fizahantany (Réserve foncière touristique) any Ampasindava Sakatia, taorian’ny antso fanehoana fahavononana (AMI) nataon’ny minisiteran’ny Fizahantany, ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr’andro. Nankasitrahin’ny mpanatrika nandritra ny Fihaonambem-pirenena mahakasika ny fampiasam-bola ihany koa ny drafitrasany, satria hita fa tena hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ekolojika mitandro maharitra ny tontolo iainana.
Malagasy avy any Nosy Be no mitantana ny Green Mada Land. Asehon’izy ireo ny hanaovana ny Nosy Sakatia ho tetikasa fitaratra, mitondra fampandrosoana ara-toekarena maharitra, sady mifandrindra amin’ny zava-misy ao an-toerana. Maharitra 50 taona ny fe-potoana hanofany ny tany, mirefy 17 ha 34a amin’ny velaran’ny Nosy manontolo mirefy 567 ha, nanomboka ny taona 2016.
An’arivony ny asa hiforona
Nambaran’ny mpitantana ihany koa fa omen’ny tetikasa lanja manokana ny vondron’olona ao an-toerana. Miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Fizahantany, ny EDBM, ny tetikasa PIC tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ary indrindra ny faritra Diana, ny Mada Green Land. Ao anatin’ny mangarahara sy ny fanajana lalàna sy fitsipika manan-kery izany rehetra izany, mba hisian’ny fampandrosoana any amin’ny Nosy Sakatia, Nosy Be ary Madagasikara amin’ny ankapobeny.
Hajaina ny fomban-tany sy ny kolontsaina. Mandray anjara amin’ny dingana rehetra ny mponina, ka an’arivony ny asa mivantana sy ankolaka hiforona. Hisy ny fampiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Njaka Andriantefiarinesy