Niverina misokatra ny fifamoivoizana eo amin’ny fivilian-dalana ao Ifasy (PK 537), amin’ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambondromamy sy Antsiranana, nanomboka omaly atoandro, 15 avrily. Natao hivezivezen’ny olona sy ny fiara ity lalana ity, mandritra ny vanim-potoana maintany, rehefa midina ny haavon’ny rano. Ampiasaina kosa ny fiampitana « bac » rehefa fotoan’ny orana, satria miakatra ny reniranon’Ifasy.
Etsy ankilany, mitohy ny asa fanamafisana ny fivilian-dalana any amin’ny reniranon’i Mahavavy. Efa tafapetraka daholo ny « dalot », ka vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny herinandro ambony izany.
Tanjona ny hamerenana amin’ny laonina ny fifamoivoizana amin’ny lalana RN6 sady hiarovana ny mpampiasa lalana. Satria, manan-danja lehibe amin’ny lafiny toekarena sy sosialy ny lalana, mampitohy ny tapany avaratry ny Nosy sy ny aty afovoan-tany ary ny avy any Boeny.
Marihina fa efa mandeha ihany koa ny vinavina hikarohana mpiara-miombon’antoka hanarenana ny tetezana eo Ifasy sy Mahavavy, simban’ny rivodoza nandalo tany an-toerana.
Njaka A.