Mihodina tsara ny Foibe CFFAMMA any Antsirabe. Toerana manamboatra fitaovam-pambolena sy famokarana maro samihafa, madinika sy salantsalany, toy ny fiasana tany na angadin’omby, fihavana tanimbary, fivelesam-bary, fanetsana, … Eo koa, ny milina fitotoam-bary na voamaina (voanjo, katsaka, soja, voanemba, ….). Mampiofana mahakasika ny fambolena sy ny famokarana ihany koa ity foibe ity, toy ny eny Nanisana Antananarivo.
Nanoratra momba an’Antananarivo tao anatin’ny gazety boky britanika Cosmopolitan UK ilay mpanao gazety anglisy Jame Lee. Nomeny ny lohateny hoe « Ireo toerana tsy azo ihodivirana mila tsidihina mandritra ny fandalovana ao Antananarivo ». Navoitrany ao ny toerana manan-tantara, ny tsena tena
be olona, ny taozavatra, ny sakafo, hanaporofoany fa renivohitry ny kolontsaina sy manan-tantara Antananarivo.
Nanomboka ny 13 avrily teo ny fivoriam- paritry ny COI mahakasika ny lamatra na « thon » (CTOI), atsy La Réunion. Dinihina ny lalàna sy ny fepetra mifehy vaovao iraisana, satria mbola misy ireo manjono mihoapampana ny lamatra (Albacore sy ny Thon obèse), izay tokony hisy fepetra manokana mifehy azy. Ireo sambo vaventy vahiny no tena mitrandraka ity hazandranomasina ity, ary ny orinasa PFOI any Antsiranana no manodina azy ho vokatra ambifotsy anaty boaty.