Mitohy ny fanohanan’ny tetikasa Base ny velon-tenan’ny mponina ao amin’ny kaominina miisa 5, Toliara II. Anisan’izany ny fanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky.
Manohana ny tantsaha ny orinasa Base Toliara. Nanomboka omaly ny Fandaharanasa ho an’ny mponina eny ifotony, nanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky, any Tsianisiha sy Ankilimaliniky, amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo). Hanampy betsaka ny tantsaha ity natao ity, satria, hampiroborobo ny fambolena samihafa ataon’izy ireo, ny vary, ny voanjo, ny katsaka, ny lojy, ny mangahazo, sns.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Base, Ramahefarivo Jean, fa « tsy ataon’ny orinasa ambanin-javatra ny tohana ara-tsosialy ny mponina manodidina ny toeram-pitrandrahana. Asehonay amin’ny alalan’ny asa toy izao ny fampandrosoana ety ifotony… ».
Mirefy 30 km ny lakandranon’Andoharanomamovoky, manondraka velaran-tany maherin’ny 3 000 ha. Mahatratra 1 600 ny olona nandray anjara avy any amin’ny kaominina Tsianisiha sy Ankilimaliniky.
Namatsy ny fitaovana nampiasaina, toy ny angady, lapela, « fourches », boroety, sns, ny Base. Nomarihin’ny governoran’Atsimo Andrefana, Ranoelson Tovondrainy, fa « efa ela no naniry ny hanadiovana azy ny mponina, satria hanatsara ny fambolena sady hampiakatra ny vokatra izany».
Notsipihin’ny DG ny Base ihany koa fa,« tena ilaina ny rano, indrindra amin’izao fotoana efa tsy fisian’ny rivodoza izao, izay nanimba ny fambolena sy ny tahirin-tsakafo. Mbola hisy tetikasa manokana hatao filamatra hampiofanan’ny teknisiana ny tantsaha ».
Afapo ny tantsaha
Raha fintinina, afapo tanteraka ny tantsaha any Tsianisiha sy Ankilimaliniky tamin’ity asa natao ity. Niray feo naneho izany ny mpandrindra ny lemaka, Rabe, ny fikambanam-behivavy toa an’i Fenomanoy, ny filohan’ny fitantanana ny rano any Tsiafanoky, i Tsimangataky, ny tomponandraikitry ny lakandrano, i Zafikely Jambo, sy ny maro hafa. Hitohy any amin’ny kaominina hafa ity asa ity.
Njaka Andriantefiarinesy