Ravinala Airports: Mandeha ny fanavaozana ny seranan’Ivato

Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina.

Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, mi­ditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ra­vinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro.
Efa nanomboka ny 27 janoary 2025 ny dingana voalohany amin’ny asa amin’ny Tarmac 1, ataon’ny orinasa Colas, eo ambany fiahian’ny orinasa Setec. Mirefy 400 m ny halavan’ny arabe hatao, miaraka amin’ny fanajariana samihafa miaraka aminy. Ho vita amin’ny jolay 2025 ny asa, andaniana vola 6,5 tapitrisa euros. Nilaza ny tomponandraikitry ny asa ao amin’ny Setec Madagasikara, Ra­kotovao Rivohary, fa «ankoatra ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny Tarmac, nitarina nampiana 10 m ny sakan’ny arabe».
Nohavaozin’ny orinasa TotalEnergies koa ny fotodrafitrasa amin’ny fitantanana ny famatsiana solika «kérosène» ho an’ny fiaramanidina. Nambaran’ny Mpiandraikitra ny raharaha, Rakotonirina Solofoniaina, fa hatrany amin’ny 40% ny fivoaran’ny asa, ary ho vitaina amin’ny aogositra 2025 izany.

Zotra nasionaly
Anisan’ny asa goavana efa mandeha ihany koa ny fanatsarana sady fanitarana ho avo roa heny ny toeram-piantsonana iraisam-pirenena teo aloha, novaina handraisana ny zotra nasionaly eto an-toerana, ampiasana vola 1 tapitrisa euros. «Azo ampiasaina ity fotodrafitrasa fikarakarana ny mpandeha amin’ny zotra nasionaly ity manomboka amin’ny jona 2025», hoy ny mpiara-mitantana ny orinasa ECE, Raharinosy Nathalie.
Nilaza ny lehiben’ny serasera Ravinala Airports, Ra­hantamalala Sandrine, fa «anisan’ny paikady hanohanana ny tanjona hisian’ny mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028 ireo asa rehetra ireo».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: