Foibe Carso : Tohanana ny tanora amin’ny fandraharahana

Manomboka misy vokany ny fanohanana ny tanora amin’ny fandraharahana any Toliara. Homanina dieny aty am-boalohany koa izy ireo, ankehitriny, amin’ny fahatongavan’ny orinasa Base Toliara.

Miara-miombon’antoka amin’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria Toliara (CCIT) sy ny tetikasa Tendro iraisan’ny rehetra hisian’ny fampandrosoana (Pic), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny Foibem-pandraharahana faritra Atsi­mo Andrefana (Carso). Foibe natao hanohanana ny tanora ao Toliara hahay hifehy ny fandraharahana.
Nambaran’ny Tale mpanatanteraka (DE) ny Carso, Real Andrianirina Briand, fa «fasana ho an’ny tetikasa no tena namantarana an’i Toliara hatramin’izay. Miezaka mi­hetsika anefa ny mpandraharaha eto an-toerana, ankehitriny, hamafana an’izany toe-tsaina izany, izay nanimba endrika ny faritra. Nentanina ny tanora ao Toliara, nanomboka ny taona 2016, ary efa manomboka ahitam-bokany izany amin’izao fotoana izao».
Mahakasika ny orinasa Base, nomarihin’ny DE ny Carso, fa «efa nomaninay hatry ny ela ny mpandraharaha amin’ny hisian’ity tetikasa ity entina hanarenana ny toekarena aty an-toerana. Satria mila vonona amin’izay zavatra takiny, na ny fahaiza-manao mahakasika izay tolotrasa tadiaviny».
Hivaha ny olan’ny lalam-barotra

Ankoatra izany, anisan’ny olana sedrain’ny mpandraharaha any Toliara hatramin’izay ny fahasarotana mitady lalam-barotra. «Hanampy ny tinady amin’ny lafiny fitaterana ny fisian’ny Base Toliara, ka an­tsoina ireo mpandraharaha hisehatra amin’izany. Eo koa ny lafiny fisakafoana», hoy ihany ny tale mpanatanteraka.
Ho an’i Real Andrianirina Briand, hitondra fampandrosoana ara-toekarena goavana any Toliara ny fisian’ity tetikasa lehibe ity. Mila ho fantatry ny rehetra ny tombontsoa hoentiny.
Araka ny antontanisan’ny EDBM, misehatra amin’ny tolotrasa na servisy ny 20% ny orinasa any an-toerana, amin’ny fanafarana sy fanondranana entana ny 13%, fizahantany sy trano fandraisam-bahiny ny 12%, varotra ny 12%, harena an-kibon’ny tany ny 11% ary fandraharahana ara-pambolena ny 9%.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: