Andraikitra sosialy: Mpiasa 49 niofana mahakasika ny RSE

Misy ny lalàna mifehy ny orinasa tsy miankina amin’ny adidy tsy maintsy handraisan’izy ireo anjara amin’ny lafiny sosialy eo amin’ny toerana sy ny faritra iasany, antsoina hoe, «Andraikitra sosialin’ny orinasa» (RSE). Voarakitra ao anatin’ izany koa ny lafiny fitandroana ny tontolo iainana.
Miisa 49 ny mpiasa avy any amin’ny Vondron’ny orinasa afakaba sy ny mpiara-miombon’antoka (GEFP), niofana mahakasika ny andraikitra sosialy RSE, tamin’ity herinandro ity. Nampanao ny fiofanana ny orinasa Innoveo, matihanina amin’ny fomba fametrahana ny maodelim-panjakana RSE, miaraka amin’ny tantsoroka avy amin’ny fandaharanasa Padeir. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) ity hetsika ity, iarahany miombon’antoka amin’ny GEFP ary ny sehatra tsy miankina (3P). Tanjona ny hanamafisana ny fandraisana andraikitry ny orinasa tsy miankina rehetra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Njaka A.

Partager sur: