Tanterahana manomboka omaly, any Washington DC, ny fivoriambe karakarain’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny filankevi-pitantanan’ny vondron’ny Banky iraisam-pirenena « Spring meetings». Fotoana iray hifanakalozana hevitra momba ireo tombontsoan’ny firenena tsirairay. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe «L’emploi: la voie de la prospérité ». Ho resahina manokana ny mahakasika ny toetry ny toekarena maneran-tany, ny fanafoanana ny fahantrana, ny fampandrosoana ara-toekarena, ary ny fahombiazan’ny fanampiana. Hitondra fanazavana momba ny lohahevitra ny minisitra misahana ny toekarena sy fampandrosoana, ny governoran’ny Banky foibe, mpitarika avy amin’ny sehatra tsy miankina, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ary mpahay siansa maneran-tany.
Ankoatra ireo, hisy ny fihaonana sy atrikasa atrehin’ny delegasionina malagasy. Mitarika izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara. Miaraka amin’izy ireo ihany koa ny masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any Etazonia.
Henintsoa