Lany avokoa ny tahirin-tsolika teny amin’ny manodidin’Ambohitrarahaba sy Analamahitsy, omaly. Nananosarotra ny fitadiavana izany ho an’ny mpanjifa. Hatreto, tsy mbola nisy fanazavana mahakasika ny zava-nisy saingy nampitaraina ny rehetra izany, indrindra ho an’ireo tratra hariva. Ahina ho olan’ny famatsiana amin’izao vanim-potoana ny fety izao ny tranga niseho.
Arahi-maso akaiky ny kalitaon’ny entam-barotra manerana ny Nosy. Midina ifotony eny amin’ny tsena ireo mpanara-maso tao anatin’ny andro maromaro. Nanome toromarika ho an’ny mpanjifa ihany koa ny tomponandraikitra mba hiantso ny laharana maitso 261 raha tojo tranga hafahafa sy ilàna fandraisana fepetra, toy ilay niseho tany Betsiboka ka nandorana avy hatrany ireo entana lany daty sy efa simba.
Velaran-tany 227 000 ha no nofafazana fanafody hatramin’ny niandohan’ny taona 2025 hanamafisana ny ady amin’ny valala. Ankehitriny, mbola manohy sy mampihatra ny drafitra nasionaly ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hanamafisana ny fandraisana andraikitra sy ny hetsika ara-teknika ho fiarovana ny fambolena sy ny mponina amin’ny fanafihan’ny andiam-balala. Mitohy, araka izany, ny ady ana habakabaka sy an-tanety.