Antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambaran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI), fa « fanamby ny hahatongavan’i Madagasikara ho sompitry ny famokarana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina afaka taona vitsy». Manana velaran-tany 36 000 ha azo volena i Madagasikara. Toerana stratejika sy azo trandrahina hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo lovainjafy aty amin’ny faritra izany, hoy kosa ny filohan’ny nosy Seychelles, Wavel Ramkalawan. Mila mametraka paikady mafonja, araka izany, ny firenena hanatrarana ny tanjona, hoy ny filoha Emmanuel Macron. Ao ny fanomezana aina ny famokarana, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina, fametrahana tontolo milamina sy mirindra amin’ny lafiny fandraharahana. Ao anatin’izay ihany koa ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana ny sakafo ary fampidirana ny rojom-pihariana ny vokatra tiana hotratrarina.
Henintsoa