Mipetraka ny tetikasa fanodinam-bokatra any amin’ny faritra Androy. Voakasik’izany ny vokatra mangahazo, ny apemba, ny varim-bazaha, ny vomanga, ny soja ary ny katsaka. Misahana azy ny tetikasa Purpa, fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola ho an’ny fambolena, famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona ny hampihenana ny fanafarana avy any ivelany, sady hanohanana ny mpamboly any an-toerana.
Mandeha ny asa fanarenana ao an-tampon-tanànan’i Farafangana. Manohana ara-bola ny fanatanterahana azy ny Banky iraisam-pirenena ao anatin’ny tetikasa PIC 3. Efa vita amin’ny ankapobeny ny fanarenana ny tany sy ny fanamboarana ny lakandrano. Miditra amin’ny fanomanana ny fanondrahana godirao indray ny asa manaraka ataon’ny orinasa, ankehitriny. Tanjona, ny hanafainganana ny fanatsarana ny fifamoivoizana.
Miisa 8 ny mpanjono niofana tany Ambanja. Nomena azy ireo ny fahalalana mahakasika ny harambato anaty ranomasina (récifs coraliens) sy ahi-dranomasina ary indrindra ny fiarovana azy ireny tsy ho faty. Hanao fampiharana anaty rano izy ireo amin’ny jona ho avy izao. Nanatanteraka ny fiofanana ny ONG Blue Ventures, ka ekipa avy any Toliara no nampiofana azy 8 mirahalahy. Hisy fiofanana hafa indray amin’ny volana mey.