distrikan’Atsimondrano: Miisa 240 ny akotry amin’ny salohim-bary safiotra

Nihaona tamin’ny tantsaha eny Atsimondrano, omaly, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Hita fa mahomby ny fanirin’ny vary safiotra.

Nanomboka tamin’ny de­sambra 2024 ny fifaninanana mamboly vary safiotra « Andao Ham­boly ». Nahomby ny fanirin’ny vary safiotra eny amin’ny distrika Atsimondrano. Namba­ran’ny tantsaha mpamboly iray eny amin’ny kaominina Fenoarivo, fa mahavelom-panantenana ity karazam-bary ity. Maha­tratra 240 ny isan’ny voam-bary akotry amin’ny salohim-bary iray amin’ny vary safiotra, amin’izao fotoana izao, raha 130 ny an’ny vary mahazatra. Mbola hitombo ny isany mandra-piakatry ny vo­katra ». Ni­laza ny depiote voafidy teny Atsimondrano, Ratsi­vahiny Andry, fa « mahazaka tsara ny toetr’andro ity karazam-bary ity. Niaraha-nahita fa tara ny rotsakorana tamin’ity taom-pambolena ity, ka tara ihany koa vao nanomboka nam­boly. Tsy nahasakana ny hatsaran’ ny vokatra anefa izany ». Ma­rihina fa teny an-toerana ihany koa ny teknisianina sinoa amin’ ny vary safiotra, ka nahita maso ny fahombiazana.

Hiofana any Sina

Notsipihin’ny Sekreteram-panjakana SESA, Razana­ma­hefa Tahian’Ny Avo, fa « mamaly mivan­tana amin’ny vina napetraky ny filohan’ny Repo­blika ny fifaninanana « Ndao Hamboly ». Izay mifototra amin’ny fampivoarana ny fomba sy ny rafi-pambolena entina hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nohamafisiny fa fanohizana ny fanohanana ny tantsaha mivantana ity hetsika fifaninanana mamboly ity. Hisitraka fampiofa­nana ara-teknika any Sina, miaraka amin’ny teknisiana sy manampahai­zana amin’ny voly vary safiotra ny tantsaha hahazo vokatra avo indrindra.
Ankoatra izany, resy lahatra ny tantsaha hafa eny Atsimondrano, satria nahita maso mivantana ny fahombiazana sy ny vokatra tsara azo amin’ny vary safiotra. Maniry mafy izy ireo ny hitohizan’ny fanohanana amin’ny famatsiana masomboly tsara kalitao, izay efa natao tamin’ ity taom-pambolena 2024-2025 ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: