Fotoana iray nampivondrona ireo mpanome tantsoroka, mpanohana sy mpamatsy volan’ny mpandraharaha ary ireo sehatra samihafa ny hetsika « pôle de l’entrepreneuriat », andiany fahefatra, no karakarain’ny maison de l’entrepreneuriat, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. « Tanjona ny hanampiana ireo mpandraharaha ao anatin’ny lalam-pihariana ataony sy hanomezana torohevitra azy ireo ao anatin’ny sehatra iasany », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny maison de l’entrepreneuriat (PCA), Ranoharivony Seheno. Araka izany, manan-tsafidy ireo mpandraharaha hanatona ireo mpanome tantsoroka mifanaraka amin’ny filany. Harahi-maso manokana ihany koa ireo mpandraharaha ireo aorian’ny hetsika mba hampahomby azy, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Ankoatra izay, niakatra 30 % ny taham-pahombiazan’ireo mpandraharaha taorian’ireo hetsika telo voalohany, antony nanohizana izany. Manampy azy ireo ao anatin’ ny seha-pihariana ataony ireo mpanome tantsoroka toy ny ONUDI sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sns. Nifanakalo hevitra tamin’ ireo tompona orinasa ireo mpamatsy vola sy manan-traikefa samihafa hanohana sy hampiroborobo azy ary hanantanteraka ireo hevitr’ireo tanora namana, hoy kosa ny tomponandraikitry ny CUA, Razafindrakoto Mahavita Rudi.
Henintsoa