Tanterahina androany ny fandevenana ny nofo mangatsiakan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama. Hiala ny tranony etsy 67 Ha ny razana, anio amin’ny 12 ora sasany atoandro. Hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Ekar Maria Manjaka. Marihina fa novonoina sy naholan’ny olon-dratsy tao an-tranony ity tovovavy ity.
Lehilahy iray 48 taona hita faty natsingevan’ny rano tao Tatamarina Betafo, omaly tamin’ny 5 ora sy sasany maraina. Efa tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka ny alahady tamin’ny 7 ora sy sasany alina izy. Nihazakazaka nivoaka ny tranony izy noho ny areti-mitaiza nahazo azy. Tsy voatazon’ny olona mihitsy izy rehefa mihetsika izany aretina izany. Efa any amin’ny fianakaviany ny nofo mangatsikany taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Zazavavy kely iray vao 21 volana maty vokatry ny fivadihan’ny fiara nitondra azy, afakomaly. Nivadika teo amin’ny lalam-pirenrna faha-12, hiditra ny tanànan’Analavory ny fiara mpitatitra iray. Maty tamin’izany ity zazakely ity ary 8 kosa ireo naratra. Fahavakisan’ny kodiarana havia aoriana no nitarika ny loza ka nampivadika ny fiara. Mbola karohina kosa ilay mpamilin’ny fiara.
Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina omaly, ny vatana mangatsikan’ilay tovovavy 20 taona vao tera-bao namoy ny ainy tany Alemana. Azon’ny aretina tampoka izy ka nitarika ny fahafatesany, ny 24 marsa lasa teo. Tsy ahina ny fahasalaman’ilay zazakely zanany.