Hanampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany ary hanampy ny fampakarana ny lentan’ny vehivavy malagasy ny fihaonana an-tampony ny kaomity iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy tompona orinasa (FCEM), atao eto Madagasikara, mandritra ny telo andro. «Hanampy amin’ny fampivoarana ny diplaomasia ara-toekarena ny hetsika sady hanampy amin’ny fitadiavana vahaolana atrehan’ireo vehivavy mpandraharaha», hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika iraisam-pirenena, tetsy amin’ny Novotel Alarobia. Tanjona ny hampifandray ireo vehivavy mpandraharaha maneran-tany sy hampivoarana ny traikefany amin’ny fitantanana orinasa. Noho izany, hifanakalo hevitra ireo mpandraharaha mba hitondrana vahaolana vaovao hiatrehana ireo fanamby samihafa.
Tosika
Laharam-pahamehana ao anatin’ity hetsika ity ny fifampizaran’ireo vehivavy ny fahaiza-manaony sy hisintonana fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha sy ireo orinasa manam-paniriana hamorona tetikasa iombana. « Maherin’ny 20 ireo firenena manatrika ny hetsika ka mifandray ao anatin’ izao ny firenena avy any avaratra sy aty atsimo ho an’ny fahombiazan’ny orinasa tantaniny vehivavy », hoy ny filohan’ny vondron’ny mpandraharaha vehivavy eto Madagasikara (GFEM), Razakaboana Fanja. Notsindriany manokana fa ho jerena ny fiaraha-miasa maharitra sy azo tsapain-tanana. Manohana tanteraka ity hetsika ity ny vondrona Axian, amin’ ny alalan’ny Yas Madagascar. Anisan’ny arosony ny vokatra “Yas Business”, sehatra fanohanana ara-barotra ireo mparandraharaha, indrindra ny vehivavy, hoy tomponandraikitry ny tetikasa, Raharimanjato Eli Malala.
Henintsoa