VAOVAO TAMBATRA

Natao, omaly, ny fanatsarana ny lalana eny Analakely. Mirefy 100 m eo ho eo no natao, miainga eo amin’ny tranombarotra Super U hatreny amin’ny vavahadin’ny kaominina CUA. Nokikisana ny godirao teo aloha ary nosoloina vaovao. Manatanteraka ny asa ny Colas, manohy ny efa natao teo aloha.

Hiara-kiasa ao anatin’ny fandaharanasa Presan, ireo firenena mivondrona anaty Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Fandaharanasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny Antokon-draraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) ary ny FAO. Mitovy ny tanjona, ny fahaleovantena ara-tsakafo sy fanamafisana ny tsena aty amin’ny faritra OI.

Miomana amin’ny fandraisana ny hetsika “Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria”, andiany faha-8, i Madagasikara ho an’ny vondrona ho fampandrosoana ny faritra atsimon’i Afrika (Sadc), amin’ny volana aogositra. Nisy ny lamina, torolalana ary toromarika napetraka hiarahana amin’ireo minisitera samihafa sy ny sehatra tsy miankina mikarakara izany.

Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fitantanana ara-bola sy ny fandraisana andraikitra mazava eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana ny fihaonana ara-kaonty natao teny amin’ny UCM Ambatoroka. Voa­resaka manokana ny fenitra ara-kaonty tokony hampiharina amin’ny orinasa sy rafitra rehetra eto Madaga­sikara manoloana ny fenitra iraisam-pirenena.

Partager sur: