Nahitam-bokany ny fanavaozana ny fitantanana ny mpandeha mahakasika ny ladoany eny amin’ny seranam-piaramanidina Antananarivo. Haingana sady tsotra ny fikarakarana.
Nahazo ny loka iraisam-pirenena « Best Waiting Time 2024 » ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy. Tanteraka izany taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpandeha eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo, Ivato. Vokatry ny ezaka maro natao, nanatsarana ny tolotra, no nahazoana ity fankasitrahana iraisam-pirenena ity. Satria, nihena be ny fotoana lany sy ny fikarakarana ny mpandeha.
Tafapetraka ny drafitrasa mandritra ny dimy taona, anatsarana ny fitantanana. Toy ny fametrahana ny fitaovana elektronika, ahitana jiro miloko mavo sy maitso, manoro lalana ny mpandeha raha hanao fanambarana ladoany na tsia. Ampiasaina ny fitaovana mamaky ny tiketra famantarana (bagdes), sy ny firaiketana an-tsary « caméras », manamafy ny fiarovana ny fandriampahalemana. Nihena ny hosoka, ny kolikoly, fantatra ny lalana izoran’ny entana miditra na mivoaka. Misy koa ny bokikely torolalana ho an’ny mpandeha. Notsorina sy nohamoraina ny famenoana ny antontan-taratasy, azo atao amin’ny internet (Douane.MDG). Azo antoka ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday sy ny fandoavam-bola elektronika, hampihenana ny fampiasana lelavola. Mora fantarina amin’ny alalan’ny fanamiany vaovao ny mpiasan’ny ladoany. Ampiasaina ny alika mpitsongodia sady mamantatra entana.
Mangarahara sy azo antoka
Nilaza ny tale jeneralin’ny Fadin-tseranana (DGD), i Lainkana Zafivanona, fa « nitondra vokatra, ankehitriny, ny ezaka maro natao, amin’ireo lamina vaovao napetraka ety Ivato. Taratry ny fahavononana nasehonay, nanafainganana ny fikarakaran-draharaha maro izao amboara Fotoana haingana indrindra na Best Waiting Time izao ».
Nohamafisin’ny DGD fa voakasiky ny fanavaozana ihany koa ny fomba fiasa anaty mangarahara sy ny fiarovana ny tolotry ny ladoany, hisorohana ny hosoka, sady haingana no azo antoka.
Njaka Andriantefiarinesy