Mifamahofaho ny raharaham-pirenena raha zohiana lalina. Mipoipoitra ny toe-javamisy hafahafa. Tsy mazava ny tian’ny sasany havoaka sy hapoaka eto amin’ny tany sy ny firenena. Mifampiampanga ny samy henjana. Mifanilika andraikitra ny samy tompon’ny hery. Ny tena zava-doza, ilay vahoaka tsimandadiharona no fanina sy valalanina.
Inona no tiana hahatongavana, maninona tsy ny mpanohitra no mamotika fitondrana fa ny samy tomponandraikitra? Famakafakana tsotsotra miseholany eny anivon’ny fiarahamonina, no handeha horesahina. Resaky ny mpanao daomy, miloka Ar 100 sy 200. Resaky ny mpisotro anaty toeram-pilibana gaboraraka sy varoboba.
Tsy resaky ny samy bado anefa! satria mety ny manampahaizana “Master” hatramin’ny “Doctorat” aza efa tratran’ny “Poche vide” na ny paosy foana. Firifiry ireo nahita fianarana no mivarilavo sy mitovy lenta amin’ny tsy nandia ny tokonam-baravaran-tsekoly. Inona àry no famakian’ilay sarambabem-bahoaka ny zava-misy? Ahoana ny vahoaka mpitazana manoloana ireny ampamoaka sy valy bontana ireny?
Toa vazaha mody miady, mandrebireby saim-bahoaka, andaniny. Misy mpanao politika mitady tsy hahandry tantana an-kilany. Tsy manam-pahaizana momba ny politika fa mpandinika fiaraha-monina Ramalagasy. Mpanara-baovao gagilahy sy gagivavy ary amin’ny fotoana tsy ampoizina no mivoaka ny hevi-dalina.
Iza tokoa no mahita na efa tafiditry ny poizina hatry ny ela ao an-dapa ao ? Misy ny mitady tsy hahandry ny andro zoma ka mitady hirika hambolena korontana. Ny mpanohitra rahateo efa kofona. Tsy manana vovokaina hiatrehana ny fitondrana. Iza no mahalala raha misy tokoa ny tsy mahahala onona? Misy ny mitady hanao rapadango sy handrombaka tsy lera ny fahefana eny an-tanan’ny sasany?
Mila fitandremana goavana ny raharaham-pirenena fa tsy tongatonga ho azy ny zava-miseho ankehitriny.
r.r




