Vidin-tsolika : Miakatra mandritra ny volana mey

Miakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ity volana mey ity. Antony mahatonga izany ny fiakaram-bidy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny volana marsa teo.

Nihena ihany koa ny vo­katr’ireo mpanondrana manoloana ny zava-misy ara-toekarena maneran-tany izay mandray anjara amin’ ny fomba hikajiana ny vidin-tsolika mihatra eto amintsika. Araka izany, “miova ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy ny vidin-tsolika eto Madagasi­kara”, hoy ny minisitry ny An­govo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, ny sabotsy teo, tao amin’ny fahitalavi-pire­nena. Na izany, tsy hihoatra ny 200 Ar ny fiakarana hihatra amin’ny vidin-tsolika na ny fidinany, araka ny fifanarahana natao amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), hoy hatrany ny fanazavany. Hatra­min’ny ora nanoratanay farany, mbola tsy voafaritra kosa ny fiakaran’ny vidin-tsolika ho an’ity volana ity.

Hihena

Na izany, mety hihena ny vidin-tsolika ho an’ny volana jona sy jolay eto Madagasi­kara noho ny fiakaran’ny taham-pamokaran’ireo firenena mpanondrana, ny volana avrily lasa teo. “Hisitraka izany ihany koa isika”, hoy hatrany ny minisitra. Nambarany fa ma­haritra 30 ka hatramin’ny 40 andro ny fahatongavan’ny sambo mpitatitra ka ny vidiny tamin’ny volana avrily izay nilatsaka kokoa no hahazoantsika izany.
Ankoatra izay, mandray anjara feno amin’ny vidin-tso­lika ny sandan’ny dolara, ny voalohan’ny volana avrily teo, manodidina ny 4 650Ar ny dolara raha midina hatrany amin’ny 4 450Ar izany amin’ izao fotoana ka izay no hiantraika amin’ny vidin-tsolika ny volana ho avy izao. Tsiahivina fa efa tsy nihetsika ny vidin-tsolika ny volana avrily teo. Vidiana 5 320Ar/litatra ny la­santsy, 4 970Ar/l ny gazoala raha toa ka niakatra 3 030Ar/l ny solika fandrehitra.

Henintsoa

Partager sur: