Nihaona tamin’ireo mpanjifany sy ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanaovan-trano, teny Vontovorona, ny Alpha ciment, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Fifampizarana traikefa sy fifanakalozan-kevitra no natao tamin’izany ka an-jatony ireo niatrika izany. Nisy ny mpanao trano, mpitantana orinasa, mpivarotra sy mpaninjara ary izay rehetra ao anatin’ny tontolon’ny mpampiasa simenitra. Iray andro nifampizarana fahaiza-manao sy fahalalana mahakasika ny fanorenana fotodrafitrasa sy trano. Nisy koa ny fanolorana vahaolana mifanaraka sy mahomby arakaraka ny karazana asa atao.
Nisongadina tamin’ireo entana naseho nandritra ny fihaonana ny simenitra lafatra, noho ny kalitaony mafy sy azo itokisana. Azo ampiasaina amin’ny vato malao sy ny rihitra simenitra ary amin’ny fanaovana fototra io akora iray io. Safidy tena ilaina, araka izany, io sokajy iray io amin’ny fanorenana toeram-ponenana, eny hatramin’ny trano misy rihana telo.
Nanan-danja tokoa ny fotoana nihaonana nisian’ny fifanakalozana ara-kevitra teo anivon’ireo mpandray anjara izay notolorana fanomezana.
Henintsoa Hani