Mifanohana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana goavana eto Madagasikara.
Mifanampy ny roa tonta ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny fampandrosoana maharitra. Mivalampatra ao anatin’izany ny fampandrosoana ny toekarena ho an’ny fampivoarana ny fiarahamonina, toy ny tetikasa Volobe sy Sahofika. Nohazavain’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, Rabarininarison Rindra Hasimbelo, omaly, teny Ivato, nandritra ny adihevitra mahakasika ny famatsiam-bola nokarakarain’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana (UN) eto Madagasikara ireo tetikadim-pamatsiam-bola hitondran’ny fanjakana malagasy fampandrosoana eto an-toerana. Voaresaka ny fiarovana ny zavamananaina sy ny tontolo iainana. « Zava-dehibe ny fidirana amin’ny Lemurs bond izay mikendry ny hanangonam-bola ho an’ny tetikasa fiarovana ny gidro. Misy ihany koa ny Green bond hanamafisana ny faharetan’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Entina hitadiavana mpampiasa vola kosa ny fonds souverain, izay efa fanaon’ny firenena maro », hoy ny minisitra. Ankoatra izay, miha marefo ny fiaraha-miasa marolafy eo amin’ny firenena maneran-tany ka iantsoan’ny minisitra ny Firenena mikambana hanohana an’i Madagasikara ho an’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny fanomezana laka ny olombelona ary ny fanamafisana ny fitantanana maharitra sy iraisana ny tontolo iainana.
Tosika
Nanohana an’i Madagasikara tamin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa sy fampiroboroboana ny toekarena ny Firennena mikambana. Misandrahaka amina sehatra marolafy ny tohana ataony hanatsarana ny fitantanam-panjakana, ny fari-piainan’ny Malagasy, hitondrana fanovana ho an’ny sehatry ny fiarahamonina sy ny toekarem-pirenena ary ho fiarovana ny rohivoahary.
Henintsoa