Toliara : Vita ny 80% ny vahilava Kiembe

Tetikasa goavana atao any Toliara ny fananganana vahilava mirefy 5 km any Kiembe. Amin’ny ankapobeny, vita hatrany amin’ny 80% ny asa. Manaraka ny vinavina sy ny fandaharam-potoana napetraka ny fandrosoan’ny asa ataon’ny orinasa China State Construction Oversas Developpement (CSCOD). Famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI).
Mizara roa ny fanatanterahana azy. Fananganana ny tohodrano eo amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, PK0, hatrany amin’ny PK2,4 ny ampahany voalohany. Fampifandraisana ny vahilava Kiembe amin’ny lalam-pirenena faha-7 (PK2+400 hatreny amin’ny PK4+927) kosa ny ampahany faharoa.
Fiarovana amin’ny fiakaran’ny ranomasina sy ny tondradrano any Mahavatse sy Kiembe ny antony nananganana ity fotodrafitrasa lehibe ity. Eo koa, ny fanatsarana ny fifamoivoizana ao an-tampon-tanànan’i Toliara manaraka ny morontsiraka. Mampifandray mivantana ny seranan-tsambo sy ny RN7 ity vahilava sady lalana vaovao ity.

Njaka A.

Partager sur: