Masindray Avaradrano : Fiompiana trondro anaty fefy

Hampiroboroboana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana eto amin’ny faritra Analamanga. Anisan’izany ny farihy eny amin’ny kaominina Masindray, distrika Avaradrano. Nidina teny an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), Mahatante Paubert, ny 2 mey teo. Nojerena ny fomba rehetra ahafahana manatanteraka izany, toy ny toetry ny rano, ny maripana sy ny hasirany, ohatra. Eo koa ny tontolo manodidina, ny fipetrany manoloana ny masoandro, ny fanajana ny fahadiovana ahafahana mamokatra madio sy ara-pahasalamana, sns.
Manodidina ny 3 ha ny farihy eny Masindray, mahazaka fefy mitsingevana miisa 5. Hampandroso ny eny an-toerana ity seha-pihariana vaovao ity, sady hanome asa ny tanora sy hanatsara ny velon-tenan’ny mponina. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahantrana, tanjona napetraky ny fanjakana rahateo izany.
Tsy mijanona ho toeram-piompiana trondro fotsiny, fa azo hajariana ho lasa toeram-pitsangantsangana. Azo vinavinaina ho toerana fianarana manjono ihany koa ho an’ny mpitsidika.

Njaka A.

Partager sur: