Fampandrosoana : Sarotra ny fitadiavana asa eto Madagasikara

Mananosarotra ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa ho an’ny Malagasy, tanora sy nahavita fianarana, noho ny tsy fahalalana izany. Vahaolana ny fandraharahana saingy mitaky finiavana manokana.

Sakana ho an’ny tanora ny tsy fananana traikefa sy ny tsy fahalalana ny tontolon’ny orinasa. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana » teny amin’ny Institut Confucius. Hetsika nokarakarain’ny Oni­versiten’Antananarivo, notohanan’ny Sampandraharahan’ ny Firenena mikambana mom­ba ny fampandrosoana (Pnud), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Novelabelarina sy niadian-kevitra, tamin’izany, ny fampananan’asa sy ny fandraharahana, niarahana ta­min’ireo tanora sy mpianatra, voakasiky ny lohahevitra. « 3% ny tanora no tafiditra eny amin’ny ambaratonga ambony. Mbola mananosarotra ihany koa ny fitadiavana fizaran’asa sy fahitana asa mifanandrify amin’ny fianarana no­ratovina », hoy ny filoha mpitantana ny Akata Goava­na, Ramiandrisoa Bodge. Manja­ka, hoy izy, ny kiantranoantrano, ny tsy fahalalan’ny mpianatra ny orinasa tokony handefasany fangatahan’ asa ary ireo dingana tokony hatao mi­aloha rehetra. Mitaky fanabeazana sy fanofanana tsara kalitao ny tanora hahafahana miatrika avy hatrany ny tontolon’ny asa. « Ampirisihina ny fanaovana fizaran’asa eny anivon’ireo orinasa madinika », hoy ny mpanara-maso ny asa, avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Rakotoarison José Alain. Efa misy, hoy izy, ny politikam-pirenena momba ny fampananan’asa ary anatin’ny fa­natsarana izany ny fitondram-panjakana.

Asa tena

Vahaolana ho an’ny fampandrosoana ny fidirana amin’ ny sehatry ny fandraharahana. Mitaky finiavana sy toe-tsaina matanjaka ary sahy miatrika fanamby maro izany. « Mila resy lahatra amin’ny tenanao ianao vao afaka mandraharaha », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Takina ny fahaiza-miara-miaina sy mi­asa amin’ny ekipa hampandrosoana ny orinasa.

Henintsoa

Partager sur: